airtel

kolontsaina

29-févr-2024

Fahalasan’i Raindé

«Banga ny tontolon'ny mpively apongamaroanaka»

Sample post image

Lasa Raindé, hoy i Rossy. Isan'ny «batteur» na mpively aponga

29-févr-2024

maroanaka mahay indrindra teto amin'ny tanàna izy ary nitendry tamin'ireo tarika maro dia maro. «Mercenaire» na mpikarama an’ady, hoy ny sasany. "Professionnel" na matihanina kosa hoy aho ary izay no fiteny. Zanak'ambanitanàna mahazaka dona sy «galères» na fahasahiranana ary tia mozika. Maka azy avokoa ny tarika teto amin’ny tanàna satria izay no asany ary hainy. Raha fiara i Raindé dia "tout terrain". Efa nentiko nanaraka ny «tournée» na fitetezam-paritrin’ny tarika izy fony Ralava tsy salama tany Avaratra ary nofanina handimby azy rehefa tsy «en forme» na tsy salama izy any amin’ny «tournée» lavitra any, manao «service d'ordre», izany hoe mandimby toerana, izy rehefa ao tsara ny «titulaire» na tompon-toerana ary nazava ho azy raha vao lasa Ralava dia izy no nandimby azy ary lasa tompon-toerana tato amin’ny tarika. Efa ela izy no tsy «en forme» araka ny fiteniny saingy tsy mba karazan'olona be taraina na mitantara ny problemany izy. Tsy misehoseho, manetry tena sy matihanina, izay ilay Raindé nifandrombahan'ny tarika rehetra na «bal» io na «style» rehetra io na tarika avy any atsimo na avy any avaratra dia «tout terrain» izy. Mbola niaraka izahay nandray ny trophée RDJ mozika ary efa nitsabo azy ela ny mpanara-maso ny fahasalamany tato amin’ny tarika Rossy. Dokotera rahateo ny mpikirakira feonay ary matetika miteny sy manoro azy. Nanao izay vitany koa i Dokotera Alain. Banga ny tontolon'ny mpively apongamaroanaka eto amin’ny tanàna , efa tsy nandeha fitetezam-paritra loatra izy rehefa lavitra ny aleha ary Rains Rain's Percu no efa ofanina mandimby azy rehefa tsy eo izy na i Booba. Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany ny Rossy Tarika Musicband ary mankahery ireo akaiky azy sy ireo tarika maro mpiara-manao mozika taminy. Mampamangy any amin i Charlebert Andrianaivo sy Ralava, ry Pana any lesy Raindé ah, hoy hatrany i Rossy na Paulbert Ramasimanina!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique