Azo lazaina ho manan-karena tantara an-tsary, indrindra, tantara an-tsary mitohy noraketina tanaty boky ireo mpanan-talenta amin’izany malagasy hatramin’ny taona 1970 tany ho any. Misitery, Komando, Benandro sy ny maro hafa. Azo lazaina ho nitaiza fahazazana nitety vanim-potoana ireny. Nikolo sainana ankizy sy tanora maro nifandimby ihany. Hita ho mahavelom-bola ankehitriny ny fikasàn’ireo mpamorona hampiasa tekinolojia ho famelomana ireny tantara an-tsary fahiny malagasy ireny. Eo ny fampiasàna ny antsoina hoe ilontsaina artifisialy na «intelligence artificielle» ary hita ho mandrisika ireo mpankafy ihany koa izany hampirisika ireo mpamorona hamadika ireny tantara an-tsary mitohy ireny ho lasa sarimihetsika. Ny fanoheran-dry Benandro sy Mena ireo dahalo tany Ambositra tany sy ny fifankatiavan’i Benandro amin’ilay tovovavy antsoina hoe Anna na zafim-bazaha. Mety hahafinaritra izao ny hahita an’izany anaty sarimihetsika, hoy ny isan’ireo sosokevitry ny mpankafy. Andrandraina, araka izany, ny hirosoan’ity zavakanto iray ity amin’ny tsara kokoa hatrany.
J. Mirija