airtel

kolontsaina

10-sept-2021

kolontsaina

Famokarana sarimihetsika Malagasy Mila mandany 40 tapitrisa ariary fara fahakeliny

Sample post image

Efa ela no niady tamin’ny hosoka na piraty izahay mpamokatra sarimihetsika Malagasy, hoy ny mpamokatra, Sitraka Raharison.

10-sept-2021

 Manana fitaovana matanjaka ry zareo, hoy izy. Sosokevitra iadiana aminy aminay ny fifanarahana eo amin’ny samy mpamokatra na eo amin’ny famoahana horonantsary na daty na ny zavatra avoaka satria misy koa moa ny mpamokatra tsy ara-panjakana na “clandestin”, izay mamoaka vokatra isan’andro isam-bolana. Lasa sahirana hatramin’ny mpanjifa hoe iza no tena orijinaly dia iza no piraty? Olana iray koa raha haka borigady miady amin’ny piraty na BAP dia tsy manana fahafahana amin’ny lafiny solika akory zareo. Ianao no miantoka solika ho azy sy manome tambin-karama ny zandary sy polisy miasa ao raha maka azy ireny. Raha mahay mifandamina amin’ny famoahana horonantsary ny mpamokatra dia mora ny miady amin’io. Ohatra hoe horonantsary iray no mivoaka fa raha 3 na 4 dia sarotra be ny miady azy amin’iny. Izy mivarotra 2000 ariary. Ianao mamoaka 3000 ariary. Marihina fa tena piraty daholo ilay nodoran’ny BAP farany teo ary raha misy orijinaly aza dia naveriny hatrany. Raran’ny lalana ny mampanofa horonantsary Malagasy fa tokony tonga dia hamidy izany. Tsy afa-manoatra hampidina vidim-bokatra intsony izahay satria efa niakatra daholo ny vidin’ny akora sy ny ilaina amin’ny famokarana rehetra. Antony mahatonga ny mpamokatra hoe mamoaka horonantsary iray io dia avy eo tsy hita intsony satria raha ny lany amin’ny famokarana sarimihetsika iray fotsiny izao no efa hatrany amin’ny 40 tapitrisa ariary any. Fara fahakeliny io ary ao anatiny daholo ny vidina akora fototra sy ny fanodinana. Tsy mila fandehanana any amin’ny faritany akory anefa izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap