airtel

kolontsaina

07-juin-2023

kolontsaina

Fampihavanana ao Ambato Hikarakara hetsika ara-kolontsaina ny Hasin’ny Zazamanga

Sample post image

Noho ny fankalazana ny faha 63 taonan’ny fahaleovantena dia hikarakara hetsika maimaim-poana seho hira gasy

07-juin-2023

izay hifanandrinan’i Rasoalalao Gabhy avy any Ampahimanga sy Rasoasomanga Berthine avy any Ambohimandroso izay atao ny 23 jona any amin’ny kaominin’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo, ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga. Hitohy ny 25 sy 26 jona ny hetsika, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Rakotondravao Sarobidy. Ho atao ao Antanetiben’ny Zazamanga izany ary iarahana amin’ny mpanakanto maro toa an’i Rojovola, José Satoub, Flash crew, Ramora Favori, Bolo pix ary mpanao vakodrazana maromaro izany. Tsy hisy vidim-pidirana hatrany ny hetsika ho fanomezana fahafaham-po ireo mponina. Manana kolontsaina mampiavaka azy ny maha firenena iray ary ezahanay haseho izany ankehitriny ao anatin’izao fetim-pirenena izao. Entina an-tsehatra ilay izy ary entina anaty fitondran-tena satria ny Malagasy dia nanana izany firaisankina sy fihavanana izany. Isan’ny ampihavanana ny mponina ao Ambato, izay faritra misy anay, io hetsika ara-kolontsaina ho atao io ary ho mariky ny firaisankina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap