airtel

kolontsaina

25-nov-2022

kolontsaina

Fampirantiana sary mitantara an’i Afrika Madagasikara no mandray azy voalohany

Sample post image

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Hakanto contemporary Ankadimbahoaka ny hetsika fampirantiana ara-java-kanto faha 6 tao anatin’izay 3 taona nisian’ity tranoben’ny kanto eny an-toerana ity izay.

25-nov-2022

Esprit Revue noire une collection fondatrice” indray moa no lohatenin’izany, hoy ny fanazavana. Ny “Revue noire” moa dia gazety boky mandahatra ireo mpanakanto afrikanina amin’ny lafiny rehetra nanomboka ny taona 1990 hatramin’ny elanelan’ny taona 2000 teo. Mbola mamoaka boky toy ny « Anthologie de la photographie » anefa na izany aza ry zareo ary milaza sy mitantara ao anatin’izany ny tantara afrikanina sy zavakanto afrikanina ankehitriny na « histoire de l’art contemporain africain ». Sary miisa 140, izay nofantenana tao anatin’ity gazety boky ity, araka izany, no hampirantiana ao an-toerana indray ao anatin’ny 3 volana manaraka ary mitantara ny taona 1900 hatramin’ny taona 2020 eo. Sary vitan’ireo mpanakanto afrikanina manomboka eto Madagasikara hatrany Mali, Cote d’Ivoire, Niger sy ireo afrikanina mila ravinahitra no hampiratiana ato, hoy ny tale ara-javakanton’ity toerana ity, Joël Andrianomeharisoa. Sambany ho an’i Madagasikara fa indrindra ho an’i Afrika ihany koa, hoy izy, no nisian’ny fampiratiana toy izao. Amin’ny anaran’ireo mpampiranty Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon kosa no misoratra ny fampiratiana ireto sarin’ny Revue noire ireto. Mpaka sary iraisampirenena miisa 30 no naka ny sary. Misokatra rahampitso sabotsy ary mifarana ny faran’ny volana martsa kosa ny fampiratiana izay azon’ny rehetra hatrehina, hoy hatrany ny fanazavana mikasika ity fampiratiana sary mitantara an’i Afrika izay i Madagasikara ity no mandray azy voalohany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique