airtel

kolontsaina

08-oct-2021

kolontsaina

Fampirantiana zavakanto ankehitriny Handray anjara ny hiran’i Samoela

Sample post image

Isan’ireo mpanakanto miisa 26 mandray anjara amin’ny hetsika fampirantiana mitondra ny lohanteny hoe “Ny fitiavanay, our love, notre amour” ny mpihira Samoela.

08-oct-2021

 Nandravaka ny fampahafantarana ity hetsika ara-javakanto hanomboka ny 9 oktobra ity tetsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka omaly ilay hirany mitondra ny lohanteny hoe “Tiavina”. Natao ho raisin’ny olona rehetra araka izay fahazoany azy ny zavakanto, hoy izy. Tsy kanto ny zavatra iray raha mitovy daholo ny fandraisan’ny olona azy. Ao anatin’ity hetsika ity I Samoela dia hitantara vanim-potoana iray hoe nitondra revy fotsiny teto. Revy vaovao sy hafa. Ny eto an-tanana izao ny manam-bola tsy misy revy. Ny misy revy tsy misy vola. Izay no mahatsara ilay hetsika toy itony mba hampisehoana ny olona hoe afaka manao zavatra hafa foana. Mifangaro ato daholo ny zavakanto rehetra ary tena mampanankarena ilay revy izany, hoy hatrany ny tenany teny amin’ity ivontoerana momba ny zavakanto ankehitriny na “arts contemporains” ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap