airtel

kolontsaina

22-sept-2021

kolontsaina

Fampisehoana “Feo tokana, gitara iray” Ho entina ao Munich, Alemanina

Sample post image

Ny zoma 24 septambra izao no fotoana miaraka amin’i Eric Manana ao amin’ny Landsberger Straße 163, 80687 ao Munich. Taorian’ny hetsika “Feo roa,

22-sept-2021

 gitara roa” izay niarahany tamin’I Dama teto an-tanindrazana, araka izany, dia handeha irery amin’ny alalan’ny fampisehoana mitondra ny lohanteny hoe “Feo tokana, gitara tokana” izay ho entiny ao Alemanina indray ny tenany amin’io zoma io. Fampisehoana mandeha irery ary dia hitendreny samirery ny gitarany ihany koa mazava ho azy ka hirany ireo vazo nahafantarana azy hatramin’izay toy ny “Mbola ho avy”, “Mama”, “Izay ratranao dia feriko”, “Revirevinay taloha” sy ny hafa rehetra ity fotoana ity. Hitohy mandrak’alina amin’ny alalan’ny alim-pandihizana na “Soirée DJ’’ avy eo ny lanonana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique