airtel

kolontsaina

13-juin-2025

FAMPISEHOANA FETIN’NY RAY-MELKY

Tsy raikitra, ahemotra amin’ny fotoana manaraka

Sample post image

Voatery nofoanana ary ahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay fampisehoana

13-juin-2025

saika hotanterahin’i Melky etsy Antsahamanitra amin’ny Alahady 15 Jona ho avy izao, entina hankalazana ny Fetin’ny Ray.Noho ny antony ara-teknika izay tsy azo hanoharana no nambarany fa anton’izany. Raha tsiahivina dia “Dada, milay ianao” no loha-hevitra nampitondraina ity fampisehoana ity. Manatitra ny fialantsiny amin’ireo mpanankafy efa nanomana ny fandaharam-potoanany ho amin’izany araka izany ny mpikarakara. Mampanantena ny hanatontosa izany amin’ny fotoana manaraka moa izy ireo koa hampitaina eo ihany izay mety ho tohiny. Tsiahivina moa fa saika hifanotrona amin’i Melky mandritra ity fampisehoana ity i Natex sy Njara Marcel, mpanankato samy manana ny maha-izy azy avokoa. Tsy vitsy ireo nalahelo vokatry ny fahasimban’ny fandaharam-potoanany vokatr’izany.
Pati
Legende : Tsy raikitra ilay fampisehoana saika hotanterahin’izy 3 mianadahy ireto amin’ny Alahady ho avy izao !
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

Nodimandry teo amin’ny faha 61

Card image cap