airtel

kolontsaina

23-mai-2022

kolontsaina

Fampisehoan’i Oboy Ora 1 sy sasany tao anaty ambiansy tanteraka

Sample post image

Vita hatreo aloha ny fampisehoan’ilay mpiangaly Rap Frantsay Oboy, Mihaja Ramiarinarivo izay teratany Malagasy.

23-mai-2022

Ora iray sy sasany no nanaovany fampisehoana tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina ny sabotsy hariva teo. Tapitra hain’ireo mpijery izay tanora ny ankamaroany ireo hira ary horakoraka sy hirahira hatramin’ny farany ny fampisehoana.Nanafana ny lanonana ireo artista avy eto an-toerana mandra-piandry ny fiakaran’i Oboy. Na dia teo aza ny fanenjehana sy fanakianana azy, indrindra tao anaty tambazotra facebook, dia nisaotra ny rehetra i Oboy sy ireo mpiara-miasa aminy : misaotra, Merci Madagascar, hoy izy nisalotra ny sainam-pirenena maitso, fotsy mena. Hita ho afa-po sy nianoka tanteraka tao anatin’ny kanto ankafiziny ireo mpijery, feno hipoka ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ny sabotsy teo.Efa nametraka ny anarany eo amin’ny tantaran’ny Rap Frantsay i Oboy ,izay manana fomba fanoratra sy firesaka maneho ny resaky ny tanora eny amin’ny lalana ao Paris. Ilay rakin-kira mitondra ny lohateny hoe « Omega » (2019) no tena nampisongadina an’i Oboy ; ary mbola nisongadina ihany koa ilay rakin-kira « No Crari » nivoaka ny septambra 2021.Natolony manontolo ho fanampiana ireo ankizy sahirana miisa 270 eo anivon’ny ivon-toerana NRJ Andavamamba moa ny vola azony teto Madagasikara tamin’ny alalan’ilay hetsika izaralove.
Nangonin’i RTT

 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap