airtel

kolontsaina

12-avril-2021

kolontsaina

“Fandroana 2021” teny Ambohimanga Nangataham-pitahiana hahazoana fahasalamana

Sample post image

Tontosa omaly 11 aprily teny amin'ny Vohitra Masina Ambohimanga ny "Fandroana"

12-avril-2021

 

 

 fanao isan-taona hatramin'ny faha Mpanjaka, mba ho fampanjariana ny hasim-piandrianan’ny tany, ny Fanjakana, ary ny Vahoaka. Atao isaky ny tsinambolan’ny Alahamady ny andro fandroana teto anivon’Imerina. Nisoronana omby volavita, hifampizarana nofon-kena mitam-piavanana ho an'ny Mpitondra, ka isan’ny nisongadina io fomba io omaly. Nifantoka tanteraka amin’ny famohazana sy fanetsehana ny ara-panahy entina hiarovana ny Gasy amin’ny fisian’ny valanaretina COVID-19 ny « Fandroana 2021», hoy ny eo anivon'ny Tranoben’Imerina. “Tsy vaovao amin’ny Malagasy, fa famerenana ny andro fandroana fanaon’ny fahagola, fanaon’ny Razan’ny Malagasy Fahizay. Tsy dia misy mahasamifaha azy amin’ny Fitampoha na tsangan-tsaina ainy avaratra na ny fandroan’andrika. Ny eto Imerina, dia ny fandroana no natao. Misy fiavahany kely ny fandroana sy ny taom-baovao Malagasy satria tamin’ny andron’ny mpanjaka taloha, dia tsy notenenina hoe taom-baovao, fa ny fandroana no nitondrana azy. Fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana sy ny Malagasy rehetra mba hahazoan’ny rehetra fahasalamana eo anatrehan’ny covid-19. Ampandroana mihitsy ny zava-masina rehefa avy midio ny mpitondra sy ny mpitahiry azy”, hoy ny Andriana Robert Andrianantoandro.

“TSY TOKONY HAMPITSANGA-MENATRA NY FOMBA MALAGASY” Naneho kosa Atoa Jean Eric Rakotoarisoa, isan’ireo mandala ny fandroana, fa ny maha zava-dehibe ny famerenana ny fomba, dia fiverenana mihitsy amin’ny maha-malagasy antsika. Zavatra efa nisy taloha, ary ny fomba toy ny fandroana izay notanterahina, dia araky ny fanao tamin’Andrianampoinimerina, ary taty amin’ny Radama I ny farany. Nanomboka taty amin’ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ka ny zava-dehibe dia haverina ny zava-panao taloha sy ny Malagasy antsika. Nofafana sy tsy navelan’ny mpanjanan-tany hatao ny fandroana, nofafana tao anatin’ny lohan’ny Malagasy ny fomba sy ny kolontsainy, noharatsiana foana hoe: fanompoan-tsampy, hafamerenana ny maha Malagasy ny hasin’ny firenena, ka tsy tokony hisanga-menatra eo anatrehan’izao tontolo fa manana ny maha izy antsika isika, ary tsy afaka mijoro amin’izay raha tsy haverina sy ezahintsika hajaina ny fomban-drazana.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap