fifaninanan-kira « Fanilo Voice 2026 » tao amin’ny Ilo Hôtel Andakana Mahitsy ny sabotsy sy alahady teo. Niainga tamin’ny kandida 210 ny 13 jona, ka rehefa nifaninana tamin’ny dingana voalohany dia 100 no tafavoaka, ary avy eo 50 no tafiditra amin’ny dingana manaraka. Nisafidy hira iray ny mpifaninana, ka jerena ao anatin’izany ny feo, ny fandikana, ny seho an-tsehatra, ny maha izy azy ara-java-kanto. Ny dingana faharoa dia ny « duel» izay fifanandrinana tsiroaroa eo amin’ny kandida. Misafidy hira 3, ka atao antsapaka hivoahan’ny iray. Ny fahatelo dia ny « battles» izay ahitana kandida roa mifaninana manao andininy sy « refrain » avy, ary any amin’ny farany miaraka. Ny 27 jona dia ho voafantina 24 ho amin’ny « semi-final », ary ny 9 no hifaninana hivoahan’ny 6 hanao ny famaranana lehibe ny 28 jona. Amin’ireo 6 ireo dia hisy 3 hibata ny amboara, ary mbola hisy ny « coup de cœur » avy amin’ny mpitsara na ny mpijery, raha ny fanazavan-dRtoa Ratsimbazafy Mialimanantsoa tompon’andraikitry ny Ilo Hôtel. Ny loka lehibe dia 10 tapitrisa Ar: 5 tapitrisa ho an’ny voalohany, 3 tapitrisa ho an’ny faharoa, ary 2 tapitrisa ho an’ny fahatelo. Tsy fifaninanana fotsiny fa sehatra iray hampisondrotra ny tanora amin’ny tontolon’ny zava-kanto, satria na dia ireo tsy tafavoaka aza dia mbola entanina amin’ny fifaninanana manaraka. Samy maneho ny fahaizany ireo mpifaninana, ary misy tena mampitolagaga, maneho fa mahay mihira ny Malagasy. « Zavatra nisongadina, manomboka miha sarotra ny fandidiana, tena mamoaka ny maha izy azy ny tanora. Ny zava-dehibe tena jerena satria efa mitovitovy ny lentan’ny mpifaninana, dia ny tena fahaizan’izy ireo mamoaka ny maha izy azy, tsy fakan-tahaka be fahatany, fa ny famoahan’ny mpifaninana tsirairay manomboka amin’ny fampiasany ny feony hatrany amin’ny fomba fanehoany an-tsehatra, indrindra ny fanehoany ny fihetsem-pony. », hoy i Christian Salala, mpitarika ny vondron’ny mpitsara. « Isan’ny marihina be ny safidin’ilay hira hoe tena mifanaraka amin’ny feony ve ilay « tonalité », misy antsipirihany tsy maintsy jerena, ka ny fitambaran’ilay izy manao seho mihitsy, ny fahatomomban’ilay hoe izy hanao fampisehoana tena mikaonty daholo. », hoy kosa Rajery. Nanamarika kosa i Rija Kely, fa tena niomana ny ankizy tamin’ny hira, fitafy, feo,… tena nihoatra ny tamin’ny dingana voalohany. Hafana izany ny dingan’ny manasa-dalana sy ny famaranana hivoahan’ireo mpandresy 3 eny amin’ny Ilo Hôtel ny 27-28 jona izao.
Toky R