famaranana lehibe ny fifaninanan-kira Fanilo Voice 2026, nokarakarain'ny Ilo Hôtel Madagascar eny Andakana Mahitsy. Niainga tamin'ny mpifaninana 210, nidina 100, 50, 22, ary 10 ka nivoahan'ireo 3 voalohany omaly. Sarotra ny fandidiana teo amin'ny mpitsara satria efa tena avo lenta ary samy nanome ny tsara indrindra avy aminy ireo mpifaninana 22 nanao ny manasa-dalana sy ireo 10 niatrika ny famaranana, nahitana ireo mianadahy kely sokajy "kids", izay nivoaka ho mpandresy i Annah ary faharoa i Mathéo. Nibata ny laharana voalohany tamin'ny andiany voalohany ho an'ny Fanilo Voice 2026 i Rainisoanaivo Tahiana Vonjiniaina Toky Sitraka na Oncle Si izay nibata ny 5 000 000Ar, Mahefa kosa no nahazo ny laharana ny 3 000 000Ar, raha i Shania kosa no fahatelo, nahazo ny 2 000 000Ar. Nahazo ny "prix des jurys" kosa i Christian, "prix des journalistes" i Niaina, ary prix an'ny Ilo Hôtel mpikarakara i Antsa.
VONONA HANOME NY TSARA
"Ny fisian'ity fifaninanana ity dia isan'ny ahafantaran'ny olona hoe misy izany Oncle Si izany afaka mametraka mozika tsara, ny lanjan'ny mozika Malagasy", hoy i Oncle Si. Aminy, nampiavaka ny fifaninanana dia noraisina an-tanana tsirairay ny ankizy, tena nampianarina zavatra be dia be, lasa mivelatra kokoa amin'ny matihanina. "Faly ary vonona hanome mozika tsara be ho an'ny rehetra, efa misy hira maromaro noforonina, ary efa misy tetikasa hamoaka ny raki-tsary voalohany", hoy hatrany izy. Raha nanontaniana ny heviny mikasika ny olona sedrain'ny mpankato vao misandratra sy manomboka hivelatra moa ny tenany nialohan'ny vokatry ny fifaninanana dia nahitsy nilaza hoe : "Eto amin'ny tanàna raha tsy manao mozika "bordel" ianao dia tsy fantatry ny olona, fa na manana mozika tsara, afaka mitondra hafatra, dia ohatran'ny somary sahirana ny fandraisan'ny olona azy, fa ny mozika somary adaladala vetivety dia miparitaka."
HISY TALENTA SY MPANAKANTO VAOVAO HIVOAKA
Sahirana ny mpitsara satria tena samy namoaka ny talentany ny mpifaninana, izay heverina fa maro no hitondra avo ny Kanto Malagasy ato ho ato. "Ny tsapanay voalohany dia manan-talenta ny ankizy,... Ny zavatra miabo efa tsapanay dia hanana manan-talenta vaovao ato ho ato", hoy i Christian Salala. "Faly izahay fa misy endrika vaovao amin'ny mozika, ka izay no imatimatesanay hoe ahoana no itantanana an'ireo amin'ny manaraka", hoy kosa Rajery. "Zavatra iray ngezabe tena nitsarana ny ankizy dia ny maha izy azy. Raha somary nirona tamin'ny fakan-tahaka tany am-piandohana, dia efa tena hita taratra ny fanehoana ny maha izy azy tao anatin'ireo 20 farany", hoy i Rijakely. Any amin'ilay tanjona tena handeha lavitra ny fanamby fa tsy fifaninanana fotsiny, mizotra makany amin'ny famoronana. Hisy ny Fanilo Voice Académie hitezana ara-mozika, fa hisy ihany koa ny Fanilo Voice Tournée, raha ny fanazavan-dRajery sy ny Ilo Hôtel, izay nanamafy fa tsy maintsy hisy ny andiany manaraka. Ireo kandida 10 nanao famaranana sy kandida 2 hafa (Aicha, Fif's), ary ireo mianadahy sokajy kids, dia hanao "tournée" any amin'ny faritany satria hovelarina eran'ny Nosy ny Fanilo Voice, ary tsy maintsy hisy ny manaraka, hoy ny eo anivon'ny Ilo Hôtel Madagascar.
Toky R