airtel

kolontsaina

14-févr-2022

kolontsaina

Fanja Andriamanantena Nanome soso-kevitra momba ny OMDA

Sample post image

Anaty tsy fahasalamana aho ka tsy mba afaka nanatrika fivoriana mikasika ny OMDA na taiza na taiza, hoy ny mpanakanto, Fanja Andriamanantena.

14-févr-2022

Omeko ihany anefa ny hevitro, hoy izy. Ny fanalàna, fanesorana, fandroahana, fampitsaharana ny tale amin’ny asany dia andraikitr’ireo mpampiasa azy dia ny minisitera Izany. Azo atao ny mandà na tsy mitovy hevitra aminy fa izy no tompon’ny teny farany na izany aza. Izay aloha ny lalàna misy. Matoa misavorovoro ny artista ankehitriny mikasika ny zony amin’ny maha mpamorona azy dia matetika noho ny tsy fahalalany ny fombafomba rehetra tokony atao hahafahany mianoka ny vokatry ny asany. Misy ny fifanomezan-tsiny ankehitriny satria tsy ampy mihitsy ny fampahafantarana ny tokony ataon’ny mpamorona mba hisitrahany ny zony. Matetika koa moa ny mpamorona dia mora afa-po raha vao mandeha télé sy radio ny asany. Isika mpamorona, indrindra ireo tanora dia tsy mba tonga akory amin’ny fivoriana fanaovan’ny OMDA tatitra. Tsaroako, 7 na 8 taona lasa izay, voalaza fa 6000 isa eo ho eo ny mpamorona misoratra anarana ao amin’ny OMDA kanefa tsy nahafeno trano akory ny 300 na 400 tonga tao. Fitantanana maty paika sy manaraka ny toetrandro no tokony ajoro. Havaozina tanteraka ny fomba fitantanana na « mode de gestion » ka omena kabinetra momba izany na “Cabinet de gestion” mahay sy mahavita izany ny fanavaozana. Hanaovana tolo-bidy na « appel d’offres » mazava be. Fampahafantarana ny lalàna misy amin’ireo rehetra misehatra eo anivon’ny fampiasàna sangan’asa fa na io lalàna io aza mety mila fanavaozana koa. Ezahana ny hifandraisan’ny OMDA amin’ireo orinasan’ny zon’ny mpamorona na “Société des Droits d’Auteurs” misy eran-tany ka hahafahan’ny mpamorona mandray ny zo aty Madagasikara na kely sy bitika aza, hoy hatrany ity mpanakanto isany sangany amin’ny famoronan-kira ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap