airtel

kolontsaina

17-juin-2022

kolontsaina

Fanomezana fetin’ny ray Hisy toro-hevitra omena ireo manana olana ara-pananahana

Sample post image

Betsaka ireo mpivady manana olana amin’ny resaka fananahana ao anatin’ny tokantrano. Voakasik’izany manokana ny lehilahy toy ireo tsy mahavelona filahiana….

17-juin-2022

vokatry ny rarin-tsaina, ny rotoroto…. hany ka mihafara amin’ny faharavan’ny tokantrano mihitsy izany ho an’ny sasany. Hahazo tombony manokana izy ireny amin’izao fankalazana ny fetin’ny ray izay homarihina amin’ny 19 jona ho avy izao izao. Hanome toro-hevitra maimaim-poana ho azy ireny mantsy ny Centre Aina Soa etsy Namontana, tarihin’Atoa Rija Mandimbison. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fizarana ilay vokatra henjana plus ho an’ireo raim-pianakaviana tonga mitsabo tena ao aminy. Ny henjana plus raha araka ny fanadihadiana natao dia entina hanampiana ireo lehilahy manana olana amin’ny resaka fananahana. Manampy azy ireny betsaka amin’ny hery sy ny tanjaka mandritra ny fanaovana firaisana mantsy izy io hoy hatrany ny fanazavana azo izay azo hanina indray mandeha nefa azo hanaovana fitsaboan-tena maharitra ihany koa handaminana ny fiainana manokan’ny mpivady. Afaka misafidy kalsioma ihany koa anefa ireo Raim-pianakaviana hafa, vokatra izay tena ilain’ny vatana tokoa amin’izao andro mangatsiaka izao. Marihina moa fa hifarana amin’io 19 Jona io avokoa ireo karazana tolotra maimaimpoana nomen’ity ivon-toerana iray ity hatramin’izay.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay henjana plus
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap