airtel

kolontsaina

15-oct-2021

kolontsaina

Feno 50 taona i Lilie Lanonana goavana no hatao etsy amin’ny CC ESCA

Sample post image

Elaela no tsy nisy fampisehoana anaty efitrano raha resaka Hiran’ny Omaly sy ny atao hoe Kalon’ny Fahiny no resaka.

15-oct-2021

Hisantatra izany ny rindran-kira lehibe izay ho tanterahana etsy amin’ny CC ESCA Antanimena ny alahady 17 oktobra amin’ny 3 ora tolakandro ho fanamarihana ny faha 50 taonan’i Lilie, ilay mpanankato vehivavy diso fantatry ny rehetra amin’ny fananany feo avo sy ny fahaizany manokana mamelona ny sangan’asan’ireo mpihira vehivavy nalaza fahiny toa an’i Jeannette, Celéstine, Fara, Henriette, O’Suza sy ny hafa. Isan’ny mahavariana amin’ny talentan’ity mpanankanto ity, ny fahaizany maka tahaka ny feon’ny tompon’ireo hira hindraminy sy ny fahaizany mamelona ireo hiran’ny omaly izay. Hiavaka ity fampisehoana ity, raha ny fanazavana, satria ho vavy tokana i Lilie amin’io ary ireo mpanankanto lehilahy efa zatra niaraka taminy nandritry ny taona maro no hampiara-peo aminy. Isany ry Salomon, Gothlieb , Rija Ramanantoanina, Luc ,Mahery. Zozoh kosa no hitarika ireo mpitendry hanaraka an’i Lilie amin’io lanonana goavana io, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap