airtel

kolontsaina

11-mars-2024

FESTI’GASY nokarakarain’ny JSS1-G1

Tena nahaliana ny fizarana traikefa momba ny tontolon’ny asa

Sample post image

Niavaka ary nahaliana ireo nanatrka ny hetsika FESTI’GASY

11-mars-2024

izay nokarakarain’ny JSS1-G1, izay fikambanana mpianatra teny amin’ny Inscae 6Ha ny sabotsy tolak’andro teo. Nampisongadinana ny maha Malagasy sy ny vita malagasy toa ny sakafo, akanjo, kilalao (Katro, fanorona) fa indrindra ihany koa fotoana nahafahana teratany Malagasy nizara fahaizana amam-pahalalana ary traikefa ho an’ireo tanora sy ankizy ankehitriny te ho tafita amin’ny fiainanaAnisan’ireo naseho ohatra ny poketra, firavaka, nisy ny filatroana nanehoana ny hakanton’ ireo akanjo vodiondry sy mariazy gasigasy niarahana tamin'ny My Fashion, orinasan'i Elisa Razafindrafara izay "Manohana sy manandratra ny vita Malagasy" narahana dihy sakafo malagasy : koba, mofo gasy, mofo akondro, ranom-boankazo ny fotoana rehetra.
MILA MAHAY MIASA SY MAHAVITA ASA
Fa nisy ihany koa tamin’io sabotsy io ny fizarana traikefa momba ny fianarana sy ny tontolon'ny asa, fananganana orinasa niarahana tamin'ny Mamy Rakotobe - Nianatra tao amin'ny Inscae (13ème promotion) . Izy dia nianatra momba ny Management d'entreprise, comptabilité, banque & finances. Mbola mianatra amin'izao fotoana eo am-panoratana boky fa hanao soutenance momba ny développement personnel any Paris afaka herinandro vitsy. Consultant izy, niainga tamina resaka fianaran’asa teny amina orinasa isan-karazany, Nanomboka 6000 ariary no tambin-karamma noraisiny tamin’izany fotoana ; efa manana ny orinasany sady mampianatra amina oniversite maromaro kosa izy amin’izao fotoana.Manampy orinasa manana olana , na manao coaching no ataony. Nanome torohevitra ho an’ireo tanora na olona te hanangana orinasa, te hanana asa tsara i Mamy Rakotobe, ka hoy izy : « tsy mari-pahaizana na CV be mipoapoaka, tsy tarikefa be fa olona mahay miasa sy mahavita asa no tadiaviin’ireo tompona orinasa. Raha te ho tsara karama ianao dia miezaha ho tena ilain’ilay na tena hoe tsy azo ihodivirana mihitsy ianao ao amin’ilay orinasa » . Avy mpianatra aho, niezaka nitady vola sy nanangana oriasa, niasa tamina orinasa fa ity no tena toetrako : manomboka leo sy kamo aho raha vao mahatsapa hoe miasa. Ny tena tsara dia raiso ho toy ny kilalao sy zavatra mahafinaritra ny asa fa tsy hoe zavatra tsy maintsy atao.Ka rehefa milalao izay ianao dia misy fotoana resy, misy fotoana maharesy, misy fotoana mila manana « super pouvoir », misy fotoana ihany koa anefa mila miaiky hoe aleo ajanona aloha ity lalao ity fa tsy vita, hoy i Mamy Rakotobe. Mazava ho azy fa zava-dehibe ny fananana fitsipi-pitondran-tena sy toetra te hiezaka hatrany.Misy koa anefa hoy izy ny olona efa tena manana ilay fahaiza-mitarika ao aminy mihitsy fa fanatsarana an’io fotsiny sisa no mila ataony rehefa mianatra sy miasa izy.
Nangonin’i RTT

Dans la même rubrique