airtel

kolontsaina

29-juin-2026

Festival AMBODIVOARA

Hafana ny ambiansy any Fandriana

Sample post image

ny 15 sy 16 aogositra

29-juin-2026

Ny 15 sy 16 Aogositra 2026 ho avy izao no no hanatanterahana any Fandriana ny Festival Ambodivoara, hetsika karakarain'ireo zanaka am-pielezana miaraka amin'ireo mpandraharaha, mpanao fanatanjahantena, mpanakanto ary mpiara-miombon'antoka maro. Nohamafisin'ny mpikarakara fa tsy festival fisotroana toaka izy ity, fa natao hampiroboroboana sy hampahafantarana bebe kokoa ny Distrikan'i Fandriana amin'ny lafiny fizahantany, toekarena ary kolontsaina. Anisan'ny hetsika lehibe ny trek mankany amin'ny Chute Andrevaronina miaraka amin'i ALVINE sy JULIA, ny foire, ny Grand Challenge Pétanque miaraka amin'i Fana, tompondaka eran-tany, ny Savika ao Fiadanana, ny carnaval, ny matchs de défi basket miaraka amin'i Sambatra sy Muriel, ny Grand Cabaret miaraka amin'i Marion, ary ny Grand Show hiarahana amin'i Tence Mena, Ceasar, Oladad, Tan Faya, Alson ary Meizah.Nanatrika ny fampahafantarana ofisialy ny Sekretera Jeneraly ny Faritra Amoron'i Mania, izay nanamafy ny fahavononan'ny Faritra hanohana ny hetsika noho ny tombontsoa ara-toekarena entiny. Etsy ankilany, nanamora ny fanatanterahana ny hetsika ny Solombavambahoaka voafidy teto amin'ny Distrikan'ny Fandriana, Pr ANDRIAMIHARIVOLAMENA Zavamanitra, izay nanasongadina fa tsy hisy fampandrosoana feno raha tsy misy foto-drafitrasa tsara.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique