tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Festival Fiaro aomby Angatahana ho vako-paritra na vako-pirenena

Miditra amin’ny andiany faha 4 ankehitriny ny Festival Fiaro Aomby ao amin’ny kaominin’ Anorohoro, faritra Alaotra mangoro. Mampiray ny lafivalon’Alaotra mangoro io, hoy ny ben’ny tananan’Anorohoro,

04-nov-2022

Sample post image

Cyril Damien François, ary na ireo zanak’Alaotra any dilambato aza tonga manotrona hatrany. Tsy manana ampanjaka moa ny sihanaka fa mpanazary. Nisy mpanazary tamin’izany fotoana izany nitantana ilay tanàna. Zetra ny tanana misy anay taloha. Zozoro no manodidina azy. Nisy zazakely iray nisongadina teo amin’ny fiarahamonina. Tsakarato, izay zavatra makarakara, ohatra, no natsakany rano ary tena velona ny omby karakarainy. Hoy izy hoe rehefa tsy eto intsony aho dia misy tehana ity ka ataovy fiaro aomby rehefa hitanareo. Ao izany no fahatsiarovana azy, izany hoe, ilevenany. Isaky ny 5 taona no nanaovana Fiaro aomby tamin’ny voalohany fa rehefa nitombo ny mponina dia lasa natao isaky ny 2 taona ilay izy. Ireo lehilahy matanjaka no maka io atao hoe rombazana na hazo miaro vatana izay misy tsilo io any amin’ny 30km mandroso sy miverina. Izany hoe 60km ary tsy mahazo mikilaoty fa manao malabary na miaraka amin’ny sikina. Miainga amin’ny 7 hariva dia amin’ny 5 maraina vao tonga ao amin’ilay tanana. Misy koa ny maka ny atao hoe latsy sy hasimbola. Ny olobe rehetra, tangalamena, vahoaka eo amin’ny 100.000 isa no manao an’io any aminay. 7 sy 8 novambra no tena tokony hanaovana azy fa amin’ny maha “festival” azy moa dia nitarina hanomboka ny 3, 4, 5, 6, 7, 8 novambra. Fampihavanana an’Alaotra io. Tsy manana mpanandro I Anorohoro fa efa mandeha ho azy ny azy ny famantarana ny andro ratsy sy tsara hanaovan-javatra. Hangataka amin’ny minisitera tomponandraikitra izahay mba hahatonga ity hetsika ity ho isan’ny vako-paritra aty aminay na vako-pirenena mihitsy, hoy hatrany ny fanazavan’ny ben’ny tanana sy ireo mpikarakara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus