airtel

kolontsaina

05-mai-2026

Festival Sabôtsibe

Hiditra amin’ny andiany faha-4

Sample post image

Hiditra amin’ny andiany faha 4

05-mai-2026

ankehitriny ny hetsika na «festival» antsoina hoe «Festival Sabôtsibe». Izy io, raha ny fanazavàna, dia hetsika mifantoka amin’ny omby na Aomby moa no fitenin’ny any amin’iny faritr’i Sofia izay handray azy iny. Isaky ny sabotsy mifanelanelana no hanaovana izany, izany hoe, in-droa isam-bolana. Ny Tsenan'Aomby ao Sabotsibe no andalovan’ny Aomby avy aty andrefana, izany hoe, Sofia, Betsiboka, Boeny. Mandalo amin’ny tsena Mandritsara ary mamatsy ny Faritra Alaotra Mangoro, Antsinanana, Analanjirofo ary Ambatosoa. Aomby an-drivony isaky ny tsena no mandalo amin’ny Tsenan'omby Sabôtsibe Mandritsara. Ny tanjona dia ifehezana io tsena io fa kitro ifotoran’ny velontenan’ny mponina any Mandritsara. Ny kolotsaina amin’ny faritra iny dia miompana amin’ny omby ihany koa. Zava-dehibe loatra, noho izany, ny tokony ifehezana io tsena Sabôtsibe Mandritsara io fa antoka ho an’ny toekarena, kolontsaina ary fiarahamonina Tsimihety. Ny jona 2023 no nanombohan’ny hetsika ary izao tonga amin’ny andiany faha 4 izao izy aty amin’ny taona 2026. Maro ny hetsika sy fanentanana misy na ara-kolotsaina na ara-toekarena mandritry ny fankalazana. Vahoaka 30.000 isa any no andrasana avy ao Mandritsara sy ny faritra manodidina. Mpanakanto lehibe miisa 15 avy amin’ny faritra maro no andrasana, miampy ireo tanora mana-talenta zanaky ny faritra. Tombanana any amin’ny 30 any izany ny isan’ireo mpanakanto hanafana ny hetsika, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-mai-2026

avy eto anivon-tany

Card image cap