fetin'ny Ray omaly Alahady 21 Jona raha oharina tamin'ny Fetin'ny Reny. Raha araka ny fanadihadiana natao dia vitsy ireo tonga nividy fanomezana toy ny gilet doudoune, ny blouson....ho an'i Dada.Ireo ambanimbany vidy toy ny famantaranandro, ny haingon-trano no mba nisy mpividy saingy tsy betsaka ihany koa. Tena nangina ny tsena hoy ny fitarainan'ireo mpivarotra. Toraka izany koa ny mofomamy. Tsy dia betsaka ihany koa ny kaomandy voarain'ireo mpivarotra. Maty antoka mihitsy aza ireo nanamboatra mofomamy marobe omaly nefa tsy nisy mpividy akory. Na izany aza anefa dia samy niezaka ny Renim-pianakaviana rehetra omaly mba nanao sakafokely tsaratsara nampifaliana ny ankohonany. Raha hena an-tsasany no mahazatra fividy dia tsy vitsy ireo mba nampitombo kely izany sy nanao lasary niaraka tamin'ny ranom-boankazo kely....
Pati
Légende : Nisy nividy ihany ny mofomamy fa vitsy !