Tena zava-doza anefa no ao ambadik’izy ireny raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala omaly. Tsy mety hoy izy ary tena tsy azo hatao ireo karazana fiantsoana ny fanahin’ny fahafatesana toy ny fanaovana ireny aron-tava mendrika matotoa ireny, ny fanaovana kisarin’ny akanjon’ireo olona efa maty rovidrovitra….Tsy fantatry ny olona hoy izy fa izany no antony mahatonga ireo olona marobe mamoy ny ainy rehefa volana Desambra. Resahina ombieny ombieny hoy izy fa manao inventaire Andriamanitra nefa tsy izay mihitsy fa vokatry ny fiantsoana ilay fanahin’ny fahafatesany isaky ny fiandohan’ny volana Novambra tahaka izao. Rehefa milamindamina ny fo sy ny sain’ny olona hoy izy vao tonga mamangy tampoka rafahafatesana. Mikasika ny fanaterana voninkazo eny amin’ny fasana sy ny fandokoana izany moa rehefa fetin’ny maty tahaka izao dia nomarihiny fa tsy misy na inona na inona fantatry ny maty intsony izany satria efa maty izy fa ny mbola velona ny olona iray dia tokony tiavina sy karakaraina.
Pati
Legende : Tsy fahotana ny mahatsiaro na malahelo ny olona maty hoy pastera Heritiana
Izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.