airtel

kolontsaina

28-déc-2021

kolontsaina

Fetin’ny noely teto Iarivo Hentitra ny fitsirihana ireo fiara, moto, mpanendaka,…

Sample post image

Nahatratra 225 ireo fiara sy moto voatery narahi-maso nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely teo teto an-drenivohitra.

28-déc-2021

 Ny 5 tamin’ireo fiara ireo niampy moto 6 no nisy olana tamin’ny resaka jiro. Nisy moto miisa 36 ihany koa nanana olana hafa. Ny 06 tamin’ireo tsy nisy fitaratra na retroviseur raha tsy nanana « casque » kosa ny 30 isa. Olona miisa 184 ihany koa ankoatra izay no narahi-maso. Ny 08 tsy nitondra kara-panondrom-pirenena, ny 24 tratra tao anatin’ilay « operation pickpocket » na ady amin’ny asa fandehana sy ny hala-botry ary ny famakian-trano. Ny 05 tamin;ireo mpoa no nakarina teo anivon’ny biraon’ny polisy ao amin’ny boriborintany voalohany, ny 03 tao amin’ny Boriborintany fahaenina ary ny 02 tao amin’ny Boriborintany fahafito. Ny iray ambiny kosa tao amin’ny Boriborintany fahavalo, raha voaroiroy tamina resaka fanafihana miaro herisetra ny 06. Nisy ihany koa ny loza naharatrana olona teny Mahamasina raha nahasimbana fitaovana kosa ilay nitranga teny Andohatapenaka teny amin’ny Akoor Digue, resaka kilalao nirehitra raha tsiahivina.
Pati
Legende : Mbola betsaka ireo moto tsy manara-dalana amin’izao !
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap