airtel

kolontsaina

27-mars-2024

FETIN’NY PASKA AO ANTSIRABE

Miainga isaky ny 30 minitra ny taxi-brousse

Sample post image

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

27-mars-2024

renivohitry ny Faritra Vakinankaratra. Efa miainga isaky ny 30 minitra ny taxi-brousse miazo ny lalam-pirenena fahafito, nanombola afak’omaly Alatsinainy ka lohalaharana amin’ireny ny miazo an’ Ambatolampy sy Antsirabe. Ankoatra ireo taxi-brousse miainga isaky ny 30 minitra ireo dia misy ihany koa ireo dimy hafa mandeha isan’ora raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana ka nampitomboana nanaraka izany ihany koa ny isan’ny mpamily ho lasa roa. Tanjona ny hisorohana ny olana ateraky ny tsy fahampian’ny torimaso ka mety hitera-doza. Notsindrian’ireo tompon’andraikitra moa fa tsy misy ahiana ny mety ho tsy fahampian’ny taxi-brousse miazo ny lalam-pirenena fahafito na izany aza. Betsaka tamin’ireo fiara nampanaovina fikojakojana hatramin’izay mantsy no efa ela no niandry ny fahafahany mandeha. Tsy mbola niakatra aloha hatramin’ny omaly ny saran-dalana miazo an’Antsirabe fa mbola nijanona ho 8.000 Ar hatrany.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap