airtel

kolontsaina

16-août-2022

kolontsaina

Fialan-tsasatra ho an’ny mpianatra Mila manomana 4 hetsy Ar raha kely

Sample post image

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy lehibe isika eto Madagasikara amin’izao. Tsy vitsy araka izany ireo mitondra

16-août-2022

kely ny menaky ny ainy sy ny fianakaviany mivoaka ny renivohitra mba hialana amin’ny rarintsaina sy ny rotoroto mahazatra. Tsy mora anefa ny fanatanterahana izany. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia mila manana hatrany amin’ny 4 hetsy Ar ny olona 3 mianaka vao afaka mandeha amin’izao. Tsy lasa lavitra anefa izany fa ao Antsirabe ihany. Raha tontaliana 10.000 Ar isan’olona mantsy ny saran-dalana dia mahatratra 60.000 Ar izany mandroso sy miverina. Mbola hafa ihany koa ny sakafo eny an-dalana mandroso sy miverina ankoatra ny hofan’ny trano hipetrahana. Raha kely mantsy dia mila manomana 30.000 Ar isan’andro amin’izany hofantrano izany ny fianakaviana iray izay marihina fa amin’ireo antonony ihany koa fa tsy tena tonga lafatra. Manodidina ny 50.000 Ar na 60.000 Ar isan’andro any ho any ny hofantrano amin’ireo karazany mba tsaratsara sy misy fandriana roa mety ho an’olona 3 mianaka. Eo amin’ny 4.000 Ar indray ny vary iray lovia antonony sy sahaza ho an’olona iray amin’ny atoandro amin’ireo karazan-tsakafo mba tsaratsara. Raha fehezina dia tena vola ny mandeha vakansy amin’izao. Vola izay tsy kely ihany koa raha mba te-hijanona 4 na 6 andro amina toerana iray.
Pati
Legende : Ny saran-dalana no tena lafo ! 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap