airtel

kolontsaina

17-mai-2024

FIDIRANA AMIN’I MOZEA MANERANA NY NOSY

Maimaimpoana ho an’ny mpianatra rahampitso Sabotsy

Sample post image

Maimaimpoana ho an’ny mpianatra rehetra ny fidirana amin’ny Mozea manerana ny Nosy rahampitso Sabotsy 18 May.

17-mai-2024

Hankalazaina rahampitso tokoa mantsy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Ho antsika eto an-drenivohitra manokana dia anisan’ny vato misakana tsy hahafahan’ny mpianatra mitsidika ireo karazana Mozea ny halafosan’ny saram-pidirana toy ny eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Tsy maintsy manana 2.000 Ar mantsy ny mpianatra iray vao afaka mahita izany, vola izay efa hahazoana vary 2 kapoaka mahavita indray mandrotsaka ho an’ny ankohonana iray misy olona 4. 5.000 Ar kosa ny sara-pidirana ho an’ny olon-dehibe iray. Azo hararaotina tsara araka izany io andron’ny rahampitso Sabotsy io mba hitondrana ny ankizy mpianatra. Maro mantsy ny tsara ho fantatra ao amin’ity lapa ity toy ny lapa Besakana, ny Kianja Masoandro, ny fasan'ny lahy sy ny vavy, ny fiangonana, ny lapa Masoandro ary ny kianja Andrianjaka. Tsy ho an’ny Rovan’i Madagasikara ihany fa ho maimaim-poana ihany koa ny fitsidihana ny Rovan’Ambohimanga mbola ho an’ny mpianatra ihany…"Mozea ho an'ny fanabeazana sy ny fikarohana", no lohahevitra nosafidiana ho an'ity taona 2024 ity. Tanjona araka izany ny hanampiana ireo haren-tsaina hananan’ny mpianatra manoloana ny kolontsaina sy ny soa toavina Malagasy.
Pati
Legende : Ny Rovan’i Madagasikara sy ireo tsara ho fantatra ao anatiny !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap