raha ny angom-baovao voaray. Olona miisa 7 no nosamborina teny Talatamaty ny 28 desambra lasa teo noho ny resaka rongony mahery vaika. nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora noho ny fidorohana io zavadomelina mahery vaika antsoina hoe “métamphétamine” io kosa ny 4 tamin’izy ireo taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana ny 30 desambra teo. “Métamphétamine” milanja 6 grama sy fitaovana maro samihafa fandraisan’izy ireo izany moa no tra-tehaka niaraka tamin’ireto mpidoroka ireto tamin’io 28 desambra lasa teo io. Isan’ireo nijoboka niaraka tamin’izy 4 ilay mpanakanto malagasy fantatry ny maro voalaza teo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Raha ny fanadihadiana natao moa dia rongony mahery vaika fifoaka na fitroakan-drizareo any amin’iny faritr’i Azia toa an’i Dubai sy Filipinina iny ity karazana rongony ity. Akora marobe izay tena manimba fahasalamana tokoa no hita ao anatiny ary akora fototra ao anatiny ny “éphédrine" sy “pseudo éphédrine”. Ankoatran’izay anefa dia mety hifangaro ao anatiny koa ny «acide muriatique», «éther», «acide sulfurique», famonoana bibikely, ioda sy ny maro hafa tsy voatanisa.
J. Mirija
Voalohany, ny hevitra no amaharana fanao fototra. Tsy azon’Ny Mpanolo-tsaina heverina izany hoe fifidianana