Mara Donna, ny faran’ny herinandro teo. Mandray anjara amin'ny dingana famaranana amin'ny fifaninan-kira "Our Generation" hatao any Kazan, Rosia, izy, hoy ny fanazavana. Tovovavy kely 11taona, mipetraka any Toamasina ary nanao fifaninan-kira tamin'ny tambazotran-tserasera. Firenena miisa 30 no nandray anjara ary tafiditra amin'ireo firenena 15 hanao dingana famaranana any Rosia i Madagasikara. Hiainga anio (TTF: ny sabotsy teo) izy. Nanome tsodrano azy aho. Amin'ny teny malagasy ranoray no entiny miatrika izany fifaninanana iraisam-pirenena izany. Manan-karena talenta i Madagasikara. Miavaka amin'ny Soatoavina ao anatin'ny fifanohanana ny malagasy ka miandrandra antsika hanohana azy amin'ny "Voting" na latsa-bato amin’ny alalan’ny finday. Alefa Filamatra Matokia! Ny kolontsaina malagasy dia mampiray ao anatin'ny fahasamihafana, hoy hatrany ny hafatr’ity minisitra ity. Nanainga ny sabotsy teo, araka izany, i Filamatra Matokia, solontena malagasy amin’ity fifaninanana ity.
J. Mirija
Nirarakompana ny faran’ny herinandro teo ny tsikera nahazo ilay mpihira Wawa, indrindra,
Vonona Hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy ny fikambanana