airtel

kolontsaina

07-déc-2021

kolontsaina

Fifaninana « Miss et Mister 2021 » Anisan’ny hiatrika famaranana i Princia Rakoto

Sample post image

Tamin'ny 25 novambra 2021 teo no nanomboka nihidy tao amin'ny Villa eto an-drenivohitra ireo solontena isaky ny Faritra 23 amin'ny fifaninanana Miss et Mister Madagascar 2021 ka isan'izany i Princia Rakoto,

07-déc-2021

 izay voafidy ho Miss Analamanga. Fiofanana isan'andro, fanadinana isan'andro, izany no iainan'izy ireo ao amin'ny Villa ka mpanofana efa matihanina sy za-draharaha no mampianatra azy ireo. Niditra tamin’ny dingan'ny ampahefa-dalana nanomboka ny 28 novambra teo, natao tao amin’ny Tv plus Amphi Ivanja Ambohitsoa ka tafakatra dingana manasa-dalana i Princia Rakoto, ary mbola tafavoaka tamin’ny manasa-dàlana izay notontosaina tao ihany ny alahady 05 décembre lasa teo. Noho ny ezaka nataony, tafita hiakatra ny dingana famaranana izy ny alahady 12 desambra 2021 izao ao amin’ny Gymnase Couvert Mahamasina amin’ny 02 ora tolakandro. Catalaya Brown sy JaomatanA no mampiakanjo an'i Princia isaky ny miaka-tsehatra. Marihina fa izay voafidy ho lany Miss Madagascar eo no hisolo-tena antsika any Philippine sy any Frantsa hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena ho an'ny taona 2022. Isan’ireo tsara toerana hisalotra ny anaram-boninahitra Miss Madagascar i Princia Rakoto, izay vao 17 taona, mpianatra lalàna (3e année en Droit) eny aminn’ny anjerimanontolo ary eo am-panomanana ny fanohanan-kevitra (Soutenance) hakana ny licence, ary eo am-panomanana koa ny “tournage Film” izay mampalaza ity kintan'ny Novegasy. Manantena ny fanohanan’ny rehetra ho tonga eny amin’ny Gymnase Couvert Mahamasina i Princia Rakoto ny Alahady 12 desambra 2021 ho avy izao, araka ny fanentanana nataony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap