dia fantatra omaly ireo mpifaninana miisa 10 hiatrika ny dingana famaranana izay ho tanterahana etsy amin’ny Canal Olympia Iarivo Andohatapenaka ny 17 desambra izao. Tsiahivina fa 𝟻𝟶%n'ny isa dia ny mpitsara no manome azy. Ny 𝟻𝟶% ambiny kosa dia fenoin'ny mpanaraka ny Top Radio tamin'ny alalan'ny safidy na “Voting” SMS sy Facebook. Toy izao, araka izany, ny lisitr'ireo tafiakatra, TOP K 04 (Dera LeRocker Andriatsitohaina - Eric Manana . “Tsy ferana”), TOP K 08 (Raz Sam - Njakatiana . “Anatra”), TOP K 12 (Anjara Rakotoniaina - Naka rabemanantsoa . “O Ratovo”), TOP K 14 (Hasina Andriamahefamanana - Lalao Rabeson . “Ny fijerinao”), TOP K 16 (Ndranja Raobeloson - Rija rasolondraibe . “Fiadanana”), TOP K 18 (Hasina Razafindraibe - Silo . “Nofinofy”), TOP K 20 (Voahary Hailey - Vaiavy Chila . “Tsy ambelako hampirafy”), TOP K 24 (Avotra Shyah - Bessa sy Lola . “Amontana”), TOP K 26 (Kévin Raw - Ludger Andrianjaka . “Nosy Tanindrazako”), TOP K 30 (Andry Randrianavony - Ny Voninavoko . “Voninavoko”). Ny zoma izao, manomboka amin’ny 2 ora sasany tolakandro, araka izany no fotoana.
J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity