Natolotra an'i Soja Fulgence, filohan'ny Association Albinos Madagascar, ny lelavola 1.000.000 Ariary lokan'ny mpandresy tamin'ny fifaninanana "Fitafy Malagasy 2026" nokarakarain'ny Association Manavao eto Antananarivo tamin'ny fankalazana ny faha-66 taonan'ny fahaleovantena sady fetin'ny Foloalindahy Malagasy rahateo. "Tena niavaka sy nampihetsi-po ny nahita ireo mpifaninana rehetra, saingy nisy iray tena nivoaka mpandresy ary nibata ny loka lehibe(coup de coeur)", hoy ny mpikarakara dia ny nisaloran'i Soja Fulgence tamin'io fotoana io. Mendrika tokoa io fandresena io. "Ny sanganasanao sy ny fomba fitafinao dia tena naneho liana sy nanasongadina marina ny maha-Malagasy antsika. Reharehan'ny kolontsaina izany", hoy hatrany ny Association Manavao.
Jean D.