airtel

kolontsaina

31-juil-2023

kolontsaina

Fifaninanana teatra amin'ny teny Frantsay Lasan’ny Lisea Jules Ferry ny amboara

Sample post image

Tontosa soa aman-tsara tao amin'ny "Alliance Française" Andavamamba ny famaranana ny andiany fahafito tamin'ny

31-juil-2023

fifaninanana nasionaly ho an'ny tantara an-tsehatra na teatra amin'ny teny frantsay. Ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena amin'ny alalan'ny foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly, izay fiaraha-miasa amin'ny tetikasa "Éducation Service de Coopération et d'Action Culturelle (EduSCAC)", an'ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara sy ny fikambanan'ny mpampianatra miteny Frantsay eto Madagasikara no nikarakara izany.Tropy miisa 43 nanerana ny Nosy no nandray anjara tamin'ny fifaninanana, ka enina tamin'izy ireo no niatrika ny famaranana teto Antananarivo; izay nahitana ny lisea Jules Ferry Faravohitra, ny lisea Rakotoarisoa Ambositra, ny lisea Laurent Botokely Toliary, ny lisea Mixte Antsiranana, nylisea Ranoavimanana Norbert, ary ny lisea Ambalakely Lalangina. Ny lisea Jules Ferry Faravohitra no nandrombaka ny amboara tamin'ity taona 2023 ity. Raha tsiahivina kely dia ny asa soratr'i CHARLES BAUDELAIRE mitondra ny lohanteny "le gâteau" no nasehon'izy ireo an-tsehatra. Fialan-tsasatra any Nosy- be moa no valisoa nomena azy ireo. Nisitraka atrikasa fiofanana "slam/poésie",mandritry ny dimy andro ihany koa izy ireo no sady nomena boky sy rakibolana ihany koa. Nampian’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle SAHONDRARIMALALA fitsidihana ny Rovan'i Madagasikara ihany koa izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny fahaizan’ireo mpianatra nilalao ilay tantara an-tsehatra !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap