Nampahafantarina omaly tetsy Andohatapenaka tamin’ny alalàn’ny federasionin’ny fanatanjahantena sy kolontsaina avy eo anivon’ny FIHEZAMA na Fitaizàna ny herin’ny zatovo malagasy ny fitsangànan’ny birao federalin’ny taranja haiady Karaté do eto Madagasikara anatin’izany FIHEZAMA izany. Ny mpampianatra Karaté, Maitre Mihari-Ni-Rencho, no filohan’izany rafitra izany mandritry ny 4 taona, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Aoka, hoy ity filoha vaovao ity, tsy hisy hisandoka hilaza ny tenany ho mitondra ny FIHEZAMA, sampana Karaté do, ankoatra anay. Efa hisy ny hetsika fifàninànana na «compétition ho atao amin’ity taona ity, hoy izy. Federasionina mampisehatra ny karazam-panatanjahantena rehetra ny FIHEZAMA ary mampisehatra ny ara-kolontsaina ihany koa. Hatramin’ny taona 2005 no efa mpikambana tao ny Karaté, hoy hatrany ny filoha vaovao. Efa notaomina hanao fifidianana, hoy kosa ny solontenan’ny FIHEZAMA foibe, Hanitra Ratsima, ny birao federaly teo aloha hanao fifidianana. 2 taona, hoy izy, no niandràsana izany ary izao vao tanteraka soa aman-tsara. Ny Sensei Mihari-Ni-Rencho no lany filoha. Nahazo alalana tamin’ny foibe FIHEZAMA izy ireo noho izany hanao ny lahasa FIHEZAMA sy hanaparitaka ary hanetsika indray ny Karaté ato amin’ny FIHEZAMA. Mikarakara fifaninànana Karaté ao anatiny izao ity rafitra ity ary mandray anjara amin’ireo fifaninànana iraisampirenena any ivelany. Afaka mampanao «passage de grade» na fampitàna ho amin’ny aavo ambony kokoa. Afaka mampanao fizaran’asa ihany koa. Manao toy ny ataon’ny federasionina rehetra manerantany, hoy hatrany ny fanazavàna voaray omaly.
Nangonin’i J. Mirija