airtel

kolontsaina

11-janv-2023

kolontsaina

Fihoaram-pefy eny amin’ny toera-manan-tantara na vakoka “Ho tomponandraikitra izay tsy manakana na mampitandrina”

Sample post image

Nanao fanambarana omaly ny fikambanam-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM fa manameloka ireny zava-nisy teny Ambohimanga

11-janv-2023

 ireny izy ireo na toy ny ahoana na toy ny ahoana endriny. Ny fanaovana ho anton-draharaha ataona antokom-pinoana hanafoana na hanao tsinontsinona ireny toerana fanasinana ireny no melohinay eto, hoy izy ireo. Nambaran’ny mpiandry ny toerana teny an-toerana fa nitondra tongolo sy voanjobory ireo olona ireo nafafiny tamin’ireo toerana tao. Ho anay mpitsabo nentim-paharazana manokana dia toeram-pitsaboana ireny toerana ireny. Maro ny taranja misy ato raha ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana. Misy ny mpampiteraka fotsiny. Misy ny mpanotra, mpanao ody may, mpampiasa ravinkazo amin’ny fomba voalanjalanja ary misy ny mpandeha amin’ireny toerana ireny. Manodidina ny 60%n’ny mpikambana ato dia mampiasa ireny toerana ireny. Izay no antony hanamelohana ny fikasana na fihetsika manao izay hamongorana na hanimbazimbana azy ireny. Tsiahivinay fa misy lalana efa manan-kery mipetraka eto amin’ity tanintsika ity ka tokony hajaina sy iantsoanay ny manam-pahefana hampihatra azy. Isany ny fehezan-dalana mikasika ny fahasalamam-bahoaka 2011-002 ny 15 jolay 2011. Tafiditra ao ny fitsaboana ara-pomban-drazana. Misy koa ny fitsaboana manaraka ny fenitra iraisana amin’izao tontolo izao izay mampiasa ravinkazo na tany na rano na zavaboary hafa. Eo koa ny lalàna mikasika ny fiarovana ireo vakoka sy haren-tsaim-pirenena 2013-017 ny 12 desambra 2013. Anaovanay antsoavo amin’ny minisiteran’ny atitany, izay manana ny prefe sy ny lefiny izay tokony handray fepetra avy hatrany satria hitera-doza sy hampisavorovoro eto amin’ny firenena ity raharaha ity. Handraiso fepetra fampitandremana na fanakanana satria fihoaram-pefy izao ka sao sanatria ianareo no ho tomponandraikitra raha hisy fihoaram-pefy hafa toy ny fandoroana fiangonana na sahala amin’izany koa amin’ireo toera-manan-tantara na vakoka ireny, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny ANTM
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap