airtel

kolontsaina

30-nov-2021

kolontsaina

Fikajiana ny tontolo iainana “Hanentana fa tsy hanasazy hamboly hazo isika”

Sample post image

Nandray anjara tamin’ny fivoriamben’ny UNESCO andiany faha 40 I Madagasikara ny herinandro teo, raha ny tatitry ny sekretera jeneralin’ity sampan-draharahan’ny firenena mikambana ity eto amintsika, Manda Ravelojaona, omaly.

30-nov-2021

 Nahafahana nilaza ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara izany, hoy izy. Teo koa ny niainana ny COVID 19 sy ny nahafahana namerina mpianatra niala an-daharana an-tsekoly indray. Vonona hanampy ahafahana manatratra ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra andiany faha 4 na ODD 4 ny UNESCO. Tonga tany Paris - Frantsa ihany koa ireo delegasionin’ny minisiteran’ny kolontsaina izay notarihin’ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo ary nanamafy ny amin’ny tokony hanoratana ireo vakoka Malagasy tokony ho tafiditra anaty vakoka iraisampirenena. Teo koa ny fifampiraharahany mikasika ny karan-doha na kabeson’ny mpanjaka Toera. Teo koa ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra na MEDD, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, izay nametraka fa azo atao ny mametraka ho fototra ny fahafaha-mikajy ny tontolo iainana satria ho an’ny firenena mandala izany dia azo apetraka ho rafitra tafiditra any amin’ny fampianarana ny fianarana ny fikajiana tontolo iainana. Malagasy koa no filohan’ny vaomieran’ny fanatanjahantena eo anivon’ny UNESCO. Ny vohitr’Antananarivo na ilay “colline” kosa no tsara marihana fa neritreretina ho ampidirina anaty vakoky ny UNESCO fa tsy ny rova fotsiny. Misy ny tombana na fijerena mikasika izany ataon’ireo mpiara-miombon’antoka. Nisy ny faritra mena maro nandritry ny fiotsahan’ny tany teny. Manombana ny tokony atao tsy hitaran’ireny isika izao, hoy hatrany ny tenany. Mikasika ny tontolo iainana kosa dia ny hamaly ny fanontaniana hoe ahoana no ahafahana manentana fa tsy manasazy, izany hoe, hanentana ny rehetra hamboly hazo ho fikajiana ny tontolo iainana isika, hoy hatrany ity sekretera jeneraly ity.
J. Mirija
Legende: Ny sekretera jeneralin’ny UNESCO sy ny Minisitry ny tontolo iainana Malagasy nandritry ny fihaonana tao Paris
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap