airtel

kolontsaina

05-févr-2026

Fikambanan'ny mpitendry

mozika eto Madagasikara

Sample post image

Nampahafantarina tetsy amin’ny Ivokolo Soarano Analakely

05-févr-2026

Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy omaly tao amin'ny Ivokolo Soarano Analakely ny fijoroan'ny fikambanan'ny mpitendry mozika eto Madagasikara, raha ny fampitàm-baovao voaray. Mpitarika birao vonjimaika i Dr Hasina Stéphane, mpitendry «saxophone» sy traompetra, miaraka amin'ny ekipany. Mpitendry matihanina miaraka amina mpanakanto avokoa izy ireo. Antom-pijoroana sy fiombonana ny tontolon'ny fitendrena zava-maneno, ny zon'ny mpitendry, ny fahafaha-miasa iraisan'ny rehetra mba hitovy lenta ny sandany na ny vidin-katsembohana. Eo anoloan'ny fivoarana mankany amin'ny fampiasàna ny IA na ilontsera artifisialy, efa ao anatin'ny kajin'ny mpitendry zava-maneno ny fifehezana izany. Angatahan'izy ireo ny hanaovana famerenana miaraka amin'ny mpihira rehefa any anaty trano fandraisam-peo mialohan’ny fiakarana an-tsehatra. Tombanana ho 2000 mahery ny isan'ny mpitendry zava-maneno eto Madagasikara. Maro amin'izy ireo koa no mpamorona na mpandrindra. Hita ao avokoa ireo mpitendry karazana mozika rehetra sy zava-maneno rehetra na hatramin'ny mpitendry any am-piangonana aza, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray omaly.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Mitantara i Cyprien Michel Raheriharimahefa

Card image cap
05-févr-2026

Ny mpitondra teo aloha namoafady, ny fanabeazana ara-kolontsaina tsy ampy

Card image cap
05-févr-2026

Rabejean Miarinarivo dia mpanao

Card image cap