ireo dia miorina amin’ny fototra miisa 5 lehibe raha ny eto Madagasikara dia ny lalàna iraisampirenena, ny fampihavanana ara-pivavahana, ny fanabeazana momba ny fandriampahalemana, ny raharaham-bahiny ary ny International Peace Youth Group na IPYG izay fikambanana ho an’ny tanora, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Tamin’ny 28 janoary 2022 lasa teo ny filohan’ity fikambanana ity, Lee Man Hee, dia nanatanteraka famelabelaran-kevitra izay nandraisan’ireo firenena miisa 55 manerana an’i Afrika mpikambana anjara. Isan’izany i Madagasikara. Mino ny HWPL fa zava-dehibe koa ny fifandraisana sy ny fifankahazoana eo amin'ny karazana fivavahana ary izany indrindra no antony nanatanterahana iny famelabelaran-kevitra iraisampirenena iny. Ny tanjon’ny fikambanana moa dia ny ahafahan’ireo mpikambana sy mpiara-miasa manaparitaka ny kolontsain’ny fandriampahalemana ary ny iriana dia ny hahatongavan’ny olona rehetra ho fo iray, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tontosa soamantsara ny fitsidiham-paritra na “Tour de Mada” nataon’ny fikambanan’ny mpitsabo Malagasy FITRAMA izay nofaranana tao Antsiranana, Ambanja,