airtel

kolontsaina

27-janv-2025

FIKAMBANANA MISS MAMAN MADAGASCAR

Hanome fiofanana maimaim-poana ny Renim-pianakaviana

Sample post image

Fototry ny adin’ny mpivady ao an-tokantrano amin’izao ny resa-bola.

27-janv-2025

Mihafara amin’ny fanaovana herisetra mihitsy izany ho an’ireo Renim-pianakaviana tsy an’asa, antony nanosika ny Fikambanana “Miss Maman” hanome fiofanana maimaim-poana ireo mpikambana ao aminy. Hamorona asa maimaim-poana ho an’ny Renim-pianakaviana ihany koa ny fikambanana ho fanampiana amin’ny fiatrehana ny fiainana. Ankoatra io tetikasa ara-tsosialy goavana hosahanin’ny fikambanana io moa dia hisy ihany koa ny fifaninana “Miss Maman” hatao manerana ny Nosy. Tanjon’ny fikambanana ny hampifaly sy hampiala voly ny Renim-pianakaviana nefa hanohana azy ireny arak’asa ihany koa ho fanamorana ny fiatrehana ny fiainana amin’ny andavanandro. Saika any amin’ny vehivavy avokoa mantsy no mifatratra ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena isan’andro sy ny olana ao an-tokantrano maro samihafa tsy maintsy vahana ka ilana fifanohanana sy fifanampiana izany. Hijery manokana ireo Reny manana fahasembanana ihany koa ny Fikambanana.
Pati
Legende : Maro ady hatrehina ny vehivavy ka mila tohanana sy ampiana amin’ny alalan’ny fiofanana tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary

Card image cap