airtel

kolontsaina

08-sept-2026

FIKAMBANANA NY APINGA

Hampitombo isa ireo olona

Sample post image

mahafehy sy mahay mikabary

08-sept-2026

Hampitombo isa ireo olona eny anivon’ny fiaraha-monina mahay sy mahafehy ny kabary ny fikambanana Ny Apinga, tarihin’Atoa Manampisoatoavina Mitahiry Fahendrena. Tafiditra ao anatin’izany ny fikambanana, ny fiangonana...Ny hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy no tanjona, arahin’ny famolavolana ny mpiara-monina mba hanana fahendrena sy fahalalana ao anatin’ny fandalinana sy fanajana ny kolontsaina Malagasy. Nitarin’ny fikambanana ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ao Ambohimangakely ny fampianarana noho izany ka ny datin’ny 16 Septambra ho avy izao no hisantatra ny taom-pianarana vaovao 2026-2027 izy ireo. Toy ny mahazatra raha araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana dia maimaim-poana hatrany ny fampianarana. Maharitra 9 volana izany ka isaky ny 3 volana dia misy hatrany ny zava-baovao hampidirîna ao anatin’ny fampianarana. Tsiahivina moa fa efa 20 taona ny nijoroana ara-panjakana ny fikambanana Ny Apinga. An’arivony hatreto ireo mpianatra efa navoakany, misandrahaka manerana ny faritra maro. Tsy vitsy ireo manao ny kabary nianarany ho lasa asa fivelomana noho izany. Misy koa ireo mampiasa azy entina hanasoavana ny fiaraha-monina rano fotsiny.
Pati
Legende : Izy no Manampisoatoavina Mitahiry Fahendrena, filohan’ny fikambanana Ny Apinga !
 

Dans la même rubrique