mpanao teatra eto Antananarivo. Hanaovana teatra no namoronan’ny vazaha an’ireny hatrany am-piandohana raha araka ny fanazavan’izy ireo. Ankehitriny anefa hoy hatrany izy dia lasa trano fivavahana avokoa ny tranom-pokonolona ka tsy mahita toerana hahafahany maneho sy mampiseho ny talentany intsony ireo mpanao teatra. Eny amoron-dalana sy eny am-piangonana sisa no toerana voatokana ho anay ka tokony hojeren’ny Ben’ny tanana vaovao izany. Notsiahivin’ny fikambanana moa fa mbola misy ny mpilalao teatra. Naverin’ny fikambanana nosokafana ny faran’ny herinandro teo ny fanofanana azy ireny ho an’ny teto an-drenivohitra. Ny tranom-pokonolona Analakely, Isotry ary Besarety moa no tena takian’izy ireo ny hamerenana azy aminy.
Pati
Legende : Anisan’ny takian’izy ireo mafy ny tranom-pokonolona Isotry sy Analakely !
Voatery nofoanana ary ahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay fampisehoana
Amin’ny datin’ny 25 sy ny 26 Jona ho avy izao ihany no hanatanterahana ilay