Filohan’ny Filankevi-pitantana ny Ofisy Malagasy misahana ny Zon'ny Mpamorona na OMDA. Lany ho filoha Atoa Rakotonavory Jimmy Hilarion, izay fantatra amin'ny anarana maha mpanakanto hoe : Lejim 415. Izy no mandimby toerana an'i Razafiarison Francis na Francis Turbo, ity farany izay nitana io andraikitra io fony izy Tale jeneralin'ny kolontsaina teo anivon'ny Minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina. Mpanakanto nanao fandalinana manokana momba ny mozika i Lejim 415, Filohan’ny Filankevi-pitantana vaovao ny OMDA ity. Manana ny mari-pahaizana "Doctorat en Ethnomusicologie" izy. Telo taona ny fe-potoana hiasany. Natao omaly io moa ny fivoriana voalohan’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA. Nandritra izany no nandaniana ireo Kaonty ara-pitantanana sy ara-bola.
Jean D.