airtel

kolontsaina

30-déc-2021

kolontsaina

FIMPIMA Nifanakalo traikefa ireo mpikambana

Sample post image

Nifanakalo traikefa tetsy amin’ny le Pave Antaninarenina omaly ireo mpikambana ao amin’ny FIkambanan’ny Mpikabary Malagasy na ny FIMPIMA.

30-déc-2021

 Niompana tamin’ny ezaka vita hahafahana manatsara ny ho avy ny fihaonana, notarihin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. «Ilo mby an-doha », io no lohahevitra nampitondraina ny hetsika, izay manana tanjona hametraka hatrany amin’ny toerany ny kabary Malagasy. Nambaran-dRavalitera, mpampianatra sady mpikaroka fa tsy natao ho fampihomehezana na fialam-boly fotsiny ny kabary fa tena manana ny toerany tokoa eny anivon’ny fiaraha-monina. Sady mampianatra mantsy ny kabary no mandamina ihany koa raha araka ny fanazavany ankoatra ny fanovana ny toe-tsain’ny mpiara-belona mba handala ny fihavanana Malagasy. Toraka izany ihany koa ny fanajana ny manodidina indrindra fa ny soa toavina. Nomarihin-dRavalitera moa fa fifanomezan-kasina ny kabary ary tokony hotazonina hatrany izany. Mikasika ny fahatafidiran’ny kabary Malagasy ho ao anatin’ny vakoka iraisam-pirenena izay nanaovana fanambarana tamin’ny 15 Desambra teo fa efa tamin’ny taona 2005 no niady ho amin’izany ny FIMPIMA ary tratra soa aman-tsara ny tanjon’izy ireo ankehitriny.
Pati
Legende : Ireo mpikatroka FIMPIMA omaly nandritra ny fihaonana « Ilo mby an-doha »
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap