airtel

kolontsaina

28-déc-2021

kolontsaina

Firaisana ara-nofo mialohan’ny faha-15 taona 20%-n’ny tovovavy Malagasy no efa tafiditra

Sample post image

20% amin’ny zazavavy zatovo latsaky ny 15 taona no miditra amin’ny firaisana ara-nofo. 40% amin’ny zatovovavy any ambanivohitra dia miteraka mialohan’ny 18 taona, raha toa ka 23%

28-déc-2021

 izany ho an’ny aty an-drenivohitra, hoy ny tatitry ny mpitsabo omaly. Mitombo be ny vohoka mialohan’ny fotoana na ny “grossesse précoce”. Mbola vitsy anefa ny zatovo mampiasa fandrindrana fiainam-pianankaviana, izay 16% amin’izao fotoana izao, araka ny antontan’isa hita any amin’ny CSB izany. Tanjona ny hampiakatra azy ho 37%. Isan’ny voalaza fa manampy amin’ny fahatrarana izany ny fandaharan’asa “Wish to action” vatsian’ny governemanta Britanika vola. Miha midina hatrany ny salan-taonan’ny tanora mba tsy hilazana fa ankizy miditra amin’ny firaisana ara-nofo. Mampametra-panontaniana hatrany ny hoe: nahoana no mihakazakazaka amin’izany izy ireo? Maro ny anton’io, ka isan’izany izany ny fihazakazaky ny fanatontoloana sy ny teknolojia, finiavana sy fitiavana hanandrakandran-javatra,… Na izany aza, mila fandinihana lalina satria endriky ny fahapotehan’ny fiarahamonina io. Hihazakazahana ny fandrisihana hampiasa fandrindram-piterahana izay ilaina tokoa, saingy mety handrisika ny tanora ho roboka amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra ihany koa anefa io, ka mila lanjalanjaina sy dinihina lalina ihany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap