airtel

kolontsaina

02-sept-2021

kolontsaina

Fitoriana ny filohan’ny ANTM Toherin’ny FITRAMA amin’ny heriny manontolo

Sample post image

Misy fitoriana mpanao gazety mandeha eny amin’ny polisy eny Ambohidahy amin’izao. Omaly no nandeha ny fakana am-bavany izany mpanao gazety izany.

02-sept-2021

Mifanindry an-dalana amin’izay ny fitoriana ny filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ny ANTM. Nivoaka tamin’ny fahanginana Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manoloana izany.
TSY RARINY
Tsy rariny hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina raha rafitra roa lehibe eto amin’ny firenena no misy mitory tahaka izao. Nosinganiny manokana tamin’izany ny mpanao gazety izay nomarihiny manokana fa tsy manaotao foana fa manana porofo matoa miteny sy manoratra ny zavatra hitany. Ny mampalahelo hoy izy dia ireo olona tsy manara-dalana indray no manao zavatra hafahafa tahaka izao. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny filohan’ny ANTM na ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana. Fampanarahan-dalana ny orinasa TASA Madagascar raha ny nambarany no nataon’ny filohan’ny ANTM nefa dia izao lasa mifototra any aminy izao ny asa fampanarahan-dalana nataony. Lasa manome endrika ratsy ny fitsaboana nentim-paharazana ny zava-misy tahaka izao hoy hatrany izy ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana.
MIEZAKA MANARA-DALANA
Ho an’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manokana dia nomarihiny fa miezaka miditra ao anatin’ny ara-dalana andro aman’alina izy ireo. Ho an’ireo mpitsabo nentim-paharazana ao aminy dia fantatra fa sady mpikambana ao amin’ny ASTRAMA izy ireo no mpikambana ao amin’ny ANTM ihany koa. Tsy mbola nisy mpitsabo nentim-paharazana tato aminay hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ka nanaotao foana na nandika lalana fa samy miezaka ny manara-dalana avokoa izy ireny. Nasiany resaka manokana ny fanaovana dokam-barotra. Tsy mbola nanao dokam-barotra ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA hoy izy fa fampahafantarana ny toerana no natao. Ekena hoy izy fa tsy mety amin’ny soa toavina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana ny fanaovana izany saingy tokony havaozina haingana ihany koa ireo lalana lany andro mifehy izany mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana misy.
ALAIN’NY MANAM-PAHAIZANA
Tena manana ny maha-izy azy ny mpitsabo nentim-paharazana hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Fahalalana no hampiasaina ao anatin’izany hoy izy fa tsy fahaizana ary afaka mahavita fahagagana amin’ny alalan’ireo zava-maniry marobe nomen’Andriamanitra antsika izy ireny entina hanasitranana ny mpiara-belona. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia marobe amin’ireo manam-pahaizana no mitango fotsiny ireny fahalalana hananan’ny mpitsabo nentim-paharazana ireny hany ka aleon’ireto farany mipetraka amin’ny fahalalana azony sy hananany. Tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana ihany koa ny mikasika izany hoy izy.

OBSERVATION CLINIQUE
Na iza na iza moa hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina te-hisehatra ao anatin’ny fitsaboana nentim-paharazana dia tokony ho re sy ho fantatra eny amin’ny Fokontany misy azy ireny ny fahavitany nanasitrana olona tao amin’ny faritra misy azy. Mandalo eny anivon’ny kaominina izany hoy izy, toraka izany koa ny medecin inspektera ao amin’ilay tanana izay vao mandalo eny anivon’ny ANTM sy ny Ministera manome ny alalana entina hanaporofoana fa mpitsabo nentim-paharazana marina izy. Mikasika ilay fitoriana mpanao gazety sy ny filohan’ny ANTM moa dia notsiahiviny manokana fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana noho izany tokony nasiana aloha ny fifanatonana hisorohana ny disadisa mety hisy eny anivon’ny fiaraha-monina. Fanalam-baraka moa no voalaza fa hanenjehan’ny orinasa TASA Madagascar ilay mpanao gazety. Ho an’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manokana dia fantatra fa mitohy hatrany ny asan’izy ireo amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona.
IREO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerinafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Legende :Tsy mpitsabo aho fa mpandraharaha, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina

Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap