airtel

kolontsaina

14-avril-2021

kolontsaina

Fitsaboana nentim-paharazana Mila tandremana ny fampiasana azy

Sample post image

Tsy marina ny filazana fa tsy misy voka-dratsy ny fampiasana zava-maniry, hoy ny filohan’ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana na ANTM,

14-avril-2021

 

 

 Josephin Andriandrainarivo, nanazava ny firoborobon’ny fampiasana raokandro amin’ny fiatrehana izao valanaretina Coronavirus eto Madagasikara izao. Toy ny zavatra rehetra io, hoy izy.

 

MILA FATRA MAZAVA

Ny vary aza foton-tsakafontsika fa mankarary kibo rehefa be loatra. Ny laoka koa misy hoe tsy mahazaka hazan-drano na ravitoto. Tsy hitovizan’ny firenen-kafa amintsika ny fananantsika zava-maniry mahasoa 13.000 karazana. Fahasoavana izany. Ny 80%n’io, hoy ny manam-pahaizana tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Avahana fa amin’ny maha raokandro anaty fitsaboana nentim-paharazana dia misy koa ilay fanamboarana azy hanaraka ny fenitra vahiny na ilay antsoina hoe “médecine complémentaire et parallèle”. Haren-tsaina vokatry ny fandinihana lalina nifandovan’ny taranaka mifandimby kosa ny antsika io fitsaboana nentim-paharazana Malagasy na “médecine traditionelle Malagasy » io. Mifameno amin’ny fitsaboana misy rehetra misy ny nentim-paharazana ary ireto zavaboarintsika ireto hatreto dia voasokajy ho fiarovana amin’ny tsy hitaran’ny valanaretina any amin’ny fiarahamonina daholo. Mila fitandremana nefa tsy ho tafahoatra ny fatra ary averina foana hoe tsy ny rehetra no mahazaka azy io. Malaza izao ny Ravintsara, Mandravasarotra, Ravin-kininina, Kininim-potsy, Kininin-drano, Voasary makirana, Sakamalaho. Ny atahorana voalohany amin’izany raha be loatra dia ny tatavy, ny vavony, ny aty. Misy tsy azo ho hanin’ny Bevohoka. Ohatra amin’izany izao dia misy taho kely mety maha kepoka tranon-jaza iny ravintsara iny. Tsara noho izany ny mila hevitra amin’ireo mpitsabo mikirakira ireny, hoy hatrany ny tenany.

 

MILA FIFEHEZANA

Nifandovana tamin’ny razambe tokoa ny fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny otra, Joel Rabemananjara. Nety ny fampitana izany teo aloha teo saingy somary variana isika taty aoriana, hoy izy, dia lasa misy mandiso ilay fampitana. Mila fifehezana io fampitana io fa raha misy teboka diso dia manahirana. Izaho manokana dia manana fototra ahafahana manasitrana ny aretina rehetra fa nianatra koa aho na efa teo aza ny talenta. Teratany sinoa no isany nampita dia lasa tafiditra ao anatiny ny karazana otra maro toy ny Kiné, ny “Réflexo”, “Massage générale” sy ny sisa. Isany fototra voalohany ny fampikorinana araka ny tokony ho izy ny ra. Avy eo ny fampiakarana sy famenoana hery fiarovana. Eo koa ny fandaminana tosidra ary mitohy any amin’ny fijerena izay mahazo ilay olona. Jerena manomboka any amin’ny loha ka hatrany amin’ny faladia. Misy fanafody natoraly asaina ampiasaina ireo manaraka fitsaboana toy ny vonina papay totoina, ohatra, raha resaka fahavoazana ao amin’ny voa, hoy hatrany izy.

 

 

J.Mirija

Dans la même rubrique