airtel

kolontsaina

24-août-2021

kolontsaina

Fitsaboana nentim-paharazana Tsy maintsy hahazoana alalana

Sample post image

Tsy hataotao foana ny fitsaboana nentim-paharazana fa hahazoana alalana mazava. Fahasalamam-bahoaka mantsy no resaka hoy

24-août-2021

 ny filohany Randriandrainarivo Josephin ka tsy azo hanaovana kinanga. Nitondra fanazava mifandraika amin’izany tamin’ny mpanao gazety ity filohan’ny ANTM ity omaly.

ANDRO AFRIKANA HO AN’NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA Hankalazaina ny 31 aogositra ho avy izao ny andro Afrikana ho an’ny fitsaboana nentim-pahazarana. Tsy ho diso anjara amin’izany isika eto Madagasikara. Tamin’ny taon-dasa raha araka ny fantatra dia notsotsorina ny fankalazana azy ity noho ny hamehana ara-pahasalamana nateraky ny valan’aretina COVID 19 ka nijanona no fahatsiarovana fotsiny. Amin’ity taona ity kosa anefa dia eny amin’ny CNARP no hanamarihana izany hiarahana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny resaka fitsaboana raha hiarahana amin’ny Ministeran’ny kolontsaina kosa ho an’ny resaka kolontsaina. Ankoatra ny fametrahana fanontaniana maro samihafa dia hisy ihany koa ny fanentanana ny olona handray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Miankina betsaka amin’ny zava-maniry mantsy no hahafahana mampiroborobo ny fitsaboana nentim-paharazana hiahiana ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika hoy Atoa Josephin.
LALANA MIFEHY NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA
Na izany aza anefa hoy izy dia tsy izay rehetra te-hitsabo no afaka misehatra eo anivon’ny fitsaboana nentim-paharazana. Mila lalana mifehy izy io raha araka ny fanazana-dRandriandrainarivo Josephin satria aim-bahoaka no resaka. Tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpitsabo nentim-paharazana ao anatin’ny Fokontany sy ny kaominina misy azy ny mpitsabo nentim-paharazana iray. Hamarinin’ny Fokontany sy ny kaominina mihitsy izany amin’ny alalan’ny traikefa efa hananan’izy ireo hoy izy raha mbola manamafy izany ihany koa ny fanazavana entin’ireo olona nahazo fahasoavana tao aminy tamin’ny alalan’ny fahasitranana azony…..Aorian’izay vao mangataka alalana any amin’ny ANTM ilay mpitsabo nentim-paharazana ary tsy maintsy manaraka ireo fepetra rehefa mifandraika amin’izany vao azo raisina. Mbola misy ihany koa ny fitondrana izany eo anivon’ny filan-kevitra nasionaly eto Madagasikara izay vao mahazo alalana ara-dalana izy ireny.
TSY TOKONY HANANA TANJONA ARA-BOLA
Tsy tokony hanana tanjona ara-bola ny mpitsabo nentim-paharazana hoy Randriandrainarivo Josephin. Miisa 6.000 ireo mpikambana tamin’ny taona 2000 ahitana ireo Renin-jaza, ny mpivarotra tapa-kazo,….Amin’ny ankapobeny hoy izy dia izay foy no omen’ny olona azy ireny fa tsy misy takalo ara-bolabe loatra satria fanomezam-pahasoavana no miasa ao anatiny. Tsy tokony ho mpitsabo nentim-paharazana araka izany hoy izy izay mitaky volabe amin’ny mpiara-belona.
TSY AZO LOVAIN-JAFY
Tsy azo lovain-jafy na vady na zanaka ary havaozina isaky ny 5 taona ny taratasy fahazoan-dalana hahafahana misehatra eo anivon’ny fitsaboana nentim-paharazana. Ho an’ireo tsy manara-dalana hoy izy dia azon’ny ANTM hatao tsara ny manenjika azy ireny. Mampahafantatra ny zava-misy eo anivon’ny sampandraharaha misahana izany ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka na koa mitory avy hatrany mihitsy rehefa diso baranahiny loatra hoy hatrany Randriandrainarivo Josephin. Raha araka ny fantatra moa dia mahatratar 3 na 5 isam-pokontany ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika.
Pati

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap