airtel

kolontsaina

20-sept-2022

kolontsaina

Fitsarana ao Nosy be Misy olona mamaky atody lamokany eo amin’ny varavarana

Sample post image

Velon-taraina ireo mpiasan’ny fitsarana ao Nosy Be sy ireo olona manana raharaha ao amin’ny fitsarana,

20-sept-2022

indrindra, amin’ny andro fanaovana fitsarana satria misy olona mamaky atody lamokany eo amin’ny varavarana vao hiditra ny fitsarana ka miteraka fofona ratsy miparitaka any anatin’ny efitrano fitsarana sy birao. Araka ny loharanom-baovao azo dia misy ny olona mino fa raha amakiana lamokan'atody eo amin’ny varavaranan'ny fitsarana alohan'ny andro anatanterahana ny fitsarana dia mandamoka raharaha na afaka madiodio ilay olona voatory. Raha olona miisa 5 na 10 no manao izany dia atody lamokany miisa 5 na 10 ihany koa no alatsaka eo ka misy, hono, ny avotra soamantsara na afaka madiodio na am-pisalasalana. Samy amin'ny finoany tokoa ny tsirairay, saingy mila apetraka hatrany ny fifanajana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap