airtel

kolontsaina

17-nov-2021

kolontsaina

Fivavahana, sosialy, politika Ny Pr Ranjeva no lany ho Filohan’ny Akademia Afrikanina

Sample post image

Nampahafantarina ofisialy ny 13 novambra lasa teo tany Dakar Renivoitr’i Sénégal ny Fijoroan’ny “Académie africaine des sciences religieuses, sociales et politiques”,

17-nov-2021

 izay miompana amin’ny Siantsan’ny fivavahana, sosialy, ary ny politika. Ny fikaonan-doha iraisam-pirenena notanterahina tao Dakar ny volana janoary 2016 niompana tamin’ny lohahevitra: : «50 ans après Vatican II, l’Afrique et l’héritage d’Alioune Diop : le dialogue des religions et les défis du temps présent » no niaingan’ny tsirin-kevitra hananganana azy io. Voafidy ho Filohan’izany kosa ilay Avara-pianarana Malagasy Pr Raymond Ranjeva, Rektoran’ny Oniversiten’Antananarivo telo aloha, Mpitsara teo aloha ary efa Filoha lefitry ny fitsarana iraisam-pirenena tany La Haye,... Eo anatrehan’ny fihamafisan’ny loza mandindona sy ny lonilony manana endrika ara-pivavahana eo amin’ny filaminana maneran-tany no nampitsiry ny hevitr’ireo avara-pianarana Afrikanina niaraka tamin’ireo vondrona kristianina mba hametraka ity Akademia Afrikanina momba ny siantsa ara-pivavahana sy ara-tsosialy ary ny politika ity. Nandritra ny fanombohana ofisialy ny 13 novambra 2021 teo, olo-manankaja maro no nanome voninahitra izany, ka maro tamin’ireo no profesora sy rektoran’ny Oniversite Afrikanina teo aloha, ireo oloben’ny fivavahana sy ny politika, toy ny Arsevekan’I Dakar teo aloha Mgr Théodore Adriern Cardinal Sarr, Cardinal John Olorunfémi Onaiyekan avy any Nigéria, ny Nonce apostolique Monseigneur Michaël W. Banach, Dr Pape Abdoulaye Seck Ambasadaoron’I Sénégal any Italie,… Nanipika ny fitandroana ny filaminana moa ny Pr Raymond Ranjeva, ary naneho fa ny fe-potoana iasan’ny akademisianina dia sokajiana ho toy ny fandraisana andraikitra ho an’ny tombotsoan’ity rafitra ity sy ny fiarahamonina entin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana sy ny vondron’olona, ny kristianina,... ho amin’ny soa iombonana. Niantso ireo mpikambana mba hiasa sy hitondra anjara biriky manokana mba hametrahana eto amin’izao tontolo izao ny maha izy azy, miombona sy manan-karena filaminana sy fandriampahalemana ho an’ny rehetra sy maneran-tany.

Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap