airtel

kolontsaina

14-sept-2026

Fiverenan'i Nono an-tanindrazana

Fahombiazana ny "Tamberina"

Sample post image

Na ilay tao CC ESCA Antanimena

14-sept-2026

ny 6 septambra na ny tetsy amin'ny Havoria Anosy ny 11 septambra 2026 dia azo lazaina fa nahafa-po ireo mpankafy avokoa. Fahombiazana no azo anambaràna ireo seho miisa 2 nataon'ny mpanakanto Nono rehefa niverina teto an-tanindrazana indray izy sy ireo tsangan'asany tsy tontan'ny ela. Saika tapitra mbola hain'ireo mpijery tsianjery ry "Hoy ianao", "Fito taona", "Miaka-midina", "Bedy foana", "Ento aty" sy ny tononkiran'ity mpanakanto indray nihira tamin-dry Lolo sy ny tariny sy ry Mahaleo ity. Izy moa no azo ambara ho namiratra indrindra nanomboka ny taona 1970 ka hatramin'izao ho an'ireo mpanakanto niangaly ny mozika folk sy ny manodidina azy ho an'ireo mpanakanto nandeha irery fa tsy tanaty tarika. Notolorana ny mariboninahitry ny kanto malagasy ny herinandro teo ny mpanakanto noho ny be vitany teo anivon'izay tontolon'ny mozika malagasy izay. Mpanakanto, mpamorona, mpampianatra; samy isany nahafantarana izany Nono izany ireo rehetra ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique