airtel

kolontsaina

18-avril-2024

Fizarana kolontsaina tia fandraharahana

Nahazo ny anjarany ny mpianatry ny sekoly Rainandriamampandry

Sample post image

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

18-avril-2024

famaranana teny amin’ny Sekoly Rainandriamampandry Ankadifotsy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Nizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana nandritra izany fihaonana izany ny Minisitra Edgard Razafindravahy afak’omaly Alatsinainy 16 Aprily. Naneho ireo mpianatra fa liana amin’ny tontolon’ny fandraharahana ary betsaka no efa manana vinavina hanangana tetikasa mikasika izany. Nahazo fanentanana ireo mpianatra 100 mianadahy ary navitrika tokoa izy ireo tamin’ny fifanakalozana natao niaraka tamin’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana. Niompana tamin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fanazavana ny atao hoe : kaoperativa ny fizarana natao. Maro ireo mpianatra no izay vao nahalala fa tsy ny fitaterana ihany no afaka mivondrona anaty kaoperativa fa ahitana seha-pihariana maro afaka mivelatra anaty orinasa kaoperativa toy ny famokarana, varotra, fanodinana vokatra… Vonona hatrany ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra hanohana ireo tanora hampiroborobo ny fandraharahana izay fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena malagasy.
Pati
Legende : Nandritra ny fizaran’ny Ministra ny traikefany tamin’ireo mpianatra !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Nodimandry omaly maraina tokony hobtamin'ny 7 ora sasany teo amin'ny faha 48 taonany i Andriamazava

Card image cap