airtel

kolontsaina

21-juin-2022

kolontsaina

Génération 2000’s “Tongava eny Antsahamanitra fa mandalo ny fiainana”

Sample post image

Tongava eny Antsahamanitra fa mandalo ny fiainana, hoy omaly ny fanentanan’ireo mpanakanto nofantenan’ny SR Event hampahatsiahy ny hira sy kalo tena nambabo ny fon’ireo zatovo sy tanora tany amin’ny taona 2000 tany.

21-juin-2022

22 taona sahady no lasa, hoy izy ireo tetsy amin’ny IKM Antsahavola. Betsaka ny fahatsiarovana ary ireo mpanakanto amin’izao fotoana izao ireo koa matoa eo dia nihaino anay ireo tamin’izany fotoana izany. Isika rehetra, noho izany, hoy hatrany izy ireo, no asaina ho avy amin’io 10 jolay 2022 io ho eny Antsahamanitra fa vonona ny hanome ny tsara indrindra ho an’ny rehetra izahay ary hampanembona anareo ny hatanoranareo sy hampianoka amin’ireo mpankafy taty aoriana koa ny hakanton’ny taona 2000 izany. Spydee, Kiady, Marion, Tovo J’Hay, Krutam Bull, Imagine, North and Center, Zo Ryan, Tempo gaigy, 3 isan-jato, ireo 10 aloha no tratra antso, hoy ny mpikarakara, Sylvanno Ratsimandresy, satria tsy ho antonona I Antsahamanitra raha ho antsoina daholo ireo mpanakanto nanamarika izany fotoana izany. Haharitra ora 5 eo ny fampisehoana, izany hoe 45 minitra isaky ny mpanakanto eo ary ireo hira tena nanamarika ny taona 2000 no hibahan-toerana. Aorian’izao moa dia ho avy indray ny Génération 2000’s sokajy RAP ranofotsiny, hoy hatrany i Sylvanno Ratsimandresy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap